Actualités

Fifidianana biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety Efa vonona ny pitsopitsony rehetra, hoy ny komity mpikarakara


  • Talata 04 Novambra 2014

Efa tomombana ary vonona ny pitsopitsony hanatanterahana ny fifidianana ireo mpikambana vaovao handrafitra ny Holafitry ny mpanao gazety eto amintsika, hoy ny komity mpikarakara namory ny namany mpanao gazety tetsy amin’ny Centre de Presse Antsakaviro omaly

Nambaran’izy ireo fa efa tonga any amin’ireo birao 22 manerana ny Nosy ireo biletà tokana samihafa hanatanterahana ny fifidianana, ny lisitry ny mpifidy ahitana mpanao gazety 1023 ary ny toromarika samihafa ho an’ireo hitantana izany fifidianana izany any amin’ireo birao fandatsaham-bato ireo. Efa an-dalana kosa omaly ny an’ireo birao 3 ambiny ka inoana fa efa tonga any an-toerana amin’ny fotoana handraisanao ity gazety ity. Nohazavain’ity komity ity fa tsy hisy ny “vote par procuration” sy “par sms” fa tsy maintsy tonga mandatsa-bato ireo mpanao gazety manana zo amin’izany ary afaka mifidy koa izy na dia mamita iraka any an-toeran-kafa aza saingy ny fifidianana ho filoha sy Sekretera jeneraly ary filoha lefitra ihany no handraisan’izy ireo anjara amin’izany. Afaka mifidy rehefa mampiseho kara-panondrom-pirenena ireo tsy mbola nahazo an-tanana ny karatra vaovao maha mpanao gazety amin’ny fotoanan’ny fifidianana. Nomarihan’ity komitim-pifidianana holafitry ny mpanao gazety ity fa tokony hanana taratasy voasonian’ny kandidà tsirairay avy ireo delegeny any amin’ny birao fandatsaham-bato 25. Hanomoboka amin’ny 8ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva ny fifidianana amin’ny sabotsy 8 novambra izao ary raha hisy ny fihodinana faharoa dia ny 15 novambra izany no hatao indray. Manomboka amin’ny 4 ora hariva vao azo atao ny fanisam-bato rehetra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT