Nikatona tanteraka halina tamin’ny 12 ora ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna.
Fotoana isaintsainana anio mialoha ny latsa-bato rahampitso. Raha ny antontanisa dia miisa 1695 ireo kaominina eto Madagasikara hanatanterahana izany ka mahatratra 2588 ireo birao fandatsaham-bato. Ny 45 amin’ireo kaominina ireo dia kandida tokana no mirotsaka hofidiana, izany hoe efa naman’ny lany fa sarintsarim-pifidianana sisa hatao. 6 275 ny isan’ny kandida ben’ny tanàna izay manome salan’isa 3 isaky ny kaominina eo, ary 4902 kosa ireo kandida mpanolotsaina. Nisy kandida miisa 5 namoy ny ainy tamin’ireo mpilatsaka hofidiana ben’ny tanàna, toy ny kandida iray tao Mahanoro izay maty noho ny lozam-pifamoivoizana. Lohalisitra iray ihany koa no maty ho an’ny kandida mpanolotsaina monisipaly. Kandida iray ihany koa no naiditra am-ponja tany amin’ny distrikan’i Mananjary no nigadra ka tsy hay na efa nivoaka amin’izao na tsia.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.