Actualités

Fifidianana 2018 Efa nahangom-bola be Rajoelina ?


  • Zoma 12 Mey 2017

Na mangina sy tsy re tsaika firy aza i Andry Rajoelina, dia voalaza fa miketrika mafy amin’ny fanomanana ny fifidianana filoham-pirenena 2018. Ny resaka ara-bola no tena niomanany sy hiomanany fatratra, raha ny loharanom-baovao iray.

Fony teo amin’ny fitondrana izy no efa nahangona volabe izay niomanany hanaovana propagandy, saingy niaraha-nahita ny tsy nahafahany nirotsaka tamin’ny alalan’ny “ni...ni...”, ka dia i Hery Rajaonarimampianina no natosiny. Nivadihan’ity farany i Andry Rajoelina sy ny ekipany tato aoriana kely noho ny resaka lonilony sy valifaty. Ny filoha ankehitriny no voalaza fa nataon’izy ireo saribakoly tamin’ny resaka fitantanam-bola, ka samy naka izay azony sy nanjakazaka izy ireo. Na niezaka nanangam-bovona aza tsy afa-nanoatra firy taorian’ny tsipaka am-bavafo, ka dia nanozongozona sy saika handrodana fitondrana toy ny tamin’ny 2009 indray saingy tsy nahomby. Voalaza mantsy fa saika hanantanteraka izany izy ireo ny taona 2015 nisian’ilay volabe 200 tapitrisa ariary nentin’ny solombavambahoaka Lanto Rakotomanga, izay sarona teny Soanierana ny 8 jona 2015. Nandeha ny resaka fa ampahany tamin’ny vola hanomanana fanonganam-panjakana iny, ka ny fahasaronana azy no antony iray tsy nampahomby ny tetika. Toa tonga saina sy niezaka nanova famindra i Andry Rajoelina taty aoriana ary te hikosoka ny tantara ratsy napetrany teto amin’ny firenena, ka nisafidy ny nangina satria mbola manana fanantenana ny hitondra fanjakana. Vao mainka hitombo indray mantsy ny laza ratsy raha mbola hanongana indray sady ny hery sy fahefana tsy ampy intsony. Tsy dia noraharahainy firy ny fanehoan-kevitra politika fa nitsapa ny halalin’ny rano fotsiny izy tamin’ny fanehoan-kevitra nataony, toy ny tamin’ny 12 febroary, ka nilazany fa tsy misy hahasakana azy tsy ho kandida. Aleony tsy misehoseho sy mipetrapetraka aloha mba hialana amin’ny setrasetran’ny HVM, izay fahavalo voalohan’i Andry Rajoelina sy ny MAPAR eo amin’ny tontolo politika. Mbola baraingo anefa hatreto ny hahafahany mirotsaka na tsia. Mbola mitatao ao an-damosiny ihany koa ny sazy tsy hahafahany mirotsaka ho filoha noho ny resaka fanonganam-panjakana satria raha ny fitsipika iraisam-pirenena, izay voafaritry ny Fifanarahan’i Cotounou dia tsy azon’ny olona nanongam-panjakana toa azy atao ny mirotsaka amin’ny fifidianana ara-demokratika.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT