Tsy azo ihodivirana intsony ny fandrosoan’ny teknolojia manerantany, indrindra amin’izao andron’ny fanatontoloana izao.
Antony nanaovan’ny sekoly ambony mampiofana momba ny fikirakirana ny teknolojia avo lenta ESTI miaraka amin’ny CS2PC, izay matihanina amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany, ny dinidinika ahafahana mijery ny amin’ny filan’ny Malagasy amin’ny fahaizana ny teknolojia. Tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina no nanatanterahana izany omaly alakamisy 6 desambra. Amin’izao fotoana dia efa tena mivoatra be ny sehatra nomerika nefa tsy ampy ny fampiasana azy hampivoarana ny orinasa Malagasy, hoy ireo tompon’andraikitra. Rehefa misehatra amin’ny varotra anatiny na ivelany ihany koa anefa dia tsy maintsy mahafehy izany ary eo no ilana teknisianina maro hifehy ny teknolojia. Nojerena tao ny fampiofanana sy ny fahaiza-manao efa misy eto Madagasikara ary noheverina manokana ny lalam-barotra ny amin’ny sehatra nomerika sy ny famoronan’asa hoentiny. Ankoatra ny sehatra varotra sy ny fizahantany dia maro be ny sehatr’asa efa ilana teknisianina mahafehy ny teknolojia raha tsy hilaza afa tsy ny sehatra fahasalamana, ny fitantanana, ny fikirakirana vola amin’ny finday sy ny aterineto izay miteraka harinkarena. Noho ny fanatontoloana sy ny filàn’ny tsena maneran-tany dia tadiavina hatrany ireo manampahaizana ireo ary eo no mipetraka ny olana eto Madagasikara satria izay manana traikefa dia alain’ny firenena any ivelany hatrany. Rehefa izay dia izy ireo no misitraka ny fitomboan’ny fandraharahana amin’ny orinasa izay mahatsara ny toekarena noho ny fahaiza-manaon’ireo manampahaizana Malagasy. Misy aza moa ilay orinasa eto an-toerana mihitsy no manimba ny tsena satria alefany any ivelany ny mpiasa noho ny filana misy any ka ny eto an-toerana indray no mangatak’atiny. Mila jerena ny fampivelarana ireo manampahaizana ireo eto Madagasikara ary tokony hisy lamina maty paika ho fitazomana azy ireo eto satria sady efa vitsy izy ireo kanefa tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.