Sambany i Madagasikara no mandray ny « Africa Endeavor » karakarain’ny USAFRICOM na US Africa Command izay fanazaran-tena ara-tafika eo ambany fiahian-dry zareo Amerikanina. Efa ny volana janoary 2016 no fantatra fa
hampiantranoan’i Madagasikara ity hetsika izay mifototra betsaka amin’ny lafiny fifehezana ny fifandraisan-davitra ity. Mahatratra 150 ireo mpandray anjara izay avy amina firenena miisa 40 aty Afrika. Tanjona lehibe ny fampitomboana ny traikefan’ny tafika amin’ny fifehezana ny fifandraisan-davitra sy ny serasera izay hanampy betsaka amin’ny fitandroana filaminana an-tanety, ana habakabaka ary an-dranomasina. Nanokatra izany tamim-pomba ofisialy ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny Lefitry ny hetsika miaramila aty Afrika vice-amiral Michael Franken. Inoana fa hitondra fahalalana sy traikefa ho an’ny tafika Malagasy eo amin’ny sehatry ny fifandraisana sy ny fampitam-baovao izay tena zava-dehibe tokoa izao hetsika izao, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Xavier Béni Rasolofinirina. Zava-dehibe kosa ny fifampatokisana sy ny fahamailoana, hoy ny filoha Rajaonarimampianina ary tsy afa-misaraka ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana.
Miahiahy ny Amerikanina ?
Iaraha-mahalala fa ny Amerikanina no lohalaharana amin’ny ady amin’ny asa fampihorohoroana ary heverina fa tsy kisendrasendra ny nisafidianana an’i Madagasikara noho ny lentan’ny fitandroana ny filaminana eto amintsika izay marefo tokoa. Miahiahy ve izany ny Amerikanina fa anisan’ny toeram-pamaharan’ny mpampihorohoro i Madagasikara ka nidirany an-tsehatra ny resaka fitandroana ny filaminana ? Ny tsy azo lavina aloha dia tsy voafehy ny fitandroana ny filaminana eto amintsika ka manomboka mametraka rafitra eto ny Amerikanina izay sarotiny tokoa amin’io lafiny io.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.