Actualités

Fifanolanan’ny Air Madagascar sy Air France Hisy fanadihadiana atao amin’ny 2 jolay


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Hisy ny fanadihadiana atao amin’ireo voakasika ny 2 jolay izao mba hamahana ny olana ifandroritan’ny kaompania Air Madagascar sy ny Air France.

 

 Mahakasika ny raharaha fampiasan’ny Air Madagascar fiaramanidina Airbus A340 miisa roa tamin’ny Air France izy io, izay i Andry Rajoelina sy ny fanjakana tetezamita no tompon’antoka. Fiaramanidina efa maty kapoka satria efa 14 taona niasana. Efa notaterina teto, fa ny 12 desambra 2018 no namoahan’ny tribonaly ara-barotra Frantsay fa mila mandoa volabe 46 tapitrisa dolara fanampin’ny 55 tapitrisa izay misy zana-bola 12 tapitrisa dolara hofana fiaramanidina ny Air Madagascar, izany hoe 101 tapitrisa dolara ny fitambarany.  Nisy didy nandrasana indray ny 13 febroary teo, fa nihemotra. Raha hiverenana ny tantara, ny 12 aprily 2012 i Andry Rajoelina no nisantatra ilay fiaramanidina, ka vao sidina faharoa dia efa nisy fahasimbana ny “détecteur d’incendie” tao amin’ny “réacteur”.   Natao fitaovana nanonganam-panjakana ny taona 2009 ny resaka Air Force One II, izay mitentina 60 tapitrisa dolara. Ny resaka trosa sy hofana fiaramanidina maty kapoka nanaovan’ny HAT bizina aza anefa ity 101 dolara no takian’ny Frantsay. Tsy tafavoaka ihany koa ny Air Madagascar na nisy aza ilay fiombonan’antoka amin’ny Air Austral vita sonia herintaona sy tapany izay.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT