Hivoaka ny 8 mey ho avy izao ny didim-pitsarana mahakasika ilay raharaha kianjan’Anosizato novidiana teratany karana mpanam-bola iray ka nitoriany ny filoha nasionalin’ny Hafari Malagasy ho nanao fandrahonana ho faty ireo mpiasany eo ambany fiadidiany.
Ankoatra izay dia nangataka onitra 60 tapitrisa Ar ihany koa ny mpitory raha nangataka ny hampitsaharana ny fanenjehana an-dRafanomezantsoa Jean Nirina kosa ireo mpisolovava azy roa, izay niantohan’ny fikambanana. Raha ny zavatra hita teny amin’ny fitsarana omaly dia tsy nipoitra ilay karana fa ny solontenany no tonga tao an-toerana niaraka tamin’ny vavolombelona. Samy niezaka ny nanazava mikasika ny raharaha nitranga ireo vavolombelon’ny roa tonta. Manantena ny filohan’ny HAFARI Malagasy fa handray izay fanapahan-kevitra mifandraika amin’izany ny fitsarana sady ho mpiaro ny osa sy ny malemy ihany koa. Nameno ny efitrano fitsarana tetsy Anosy omaly ireo mpikambana marobe eo anivon’ny Hafari Malagasy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.