Actualités

Fifanolanana banky BMM sy Atoa Lercia Manjavozavo ny hevitry ny fitsarana tampony


  • Alakamisy 15 Septambra 2016

Tsy manaiky intsony ny hitsarana fanindroany ny raharaha hifanolanany amin’ny banky BMM (Banque Mascareignes Madagascar) Atoa Lercia mpandraharaha ara-toekarena avy any Toamasina.

Raha tsiahivina, 3 taona lasa izay, no nisian’ny disadisa teo amin’ny roa tonta. Navoakan’ny fitsarana tamin’izany ny didy nanery ity banky ity handoa 1 miliara ariary amin’ny mpandraharaha ity ary 5 hetsy ariary isan’andro isaky ny tsy misy fandoavana ny vola (io ilay antsoina hoe astreinte) nanomboka tamin’ny 25 jona 2015. Rehefa nafindra teto Antananarivo ny raharaha dia efa nandalo tamin’ny lehiben’ny Fitsarana Ambony ary izao miakatra eo anivon’ny lehiben’ny Fitsarana Tampony (Cour Suprême) izao indray. Nahagaga anefa fa efa ho nisy 3 volana izay mbola tafahitsoka ao foana ity raharaha ity fa mahazo fanemorana lava izao ny fitsarana azy. Efa tokony ho tamin’ny 31 aogositra teo no navoakan’ity fitsarana ity ny didy mahakasika azy io. Voalazan’ny fitsarana fa haverina hotsaraina amin’ny 28 septambra izao indray ny raharaha fa hoe mbola any andafy, hono ny tale jeneralin’ity banky ity. Tsy vita foana moa ny fanatanterahana ny didy mivoaka satria nangataka “demande de retractation” ny banky BMM, nefa tsy afaka misakana ny fanatanterahana didy mihitsy izany fangatahana natao izany araka ny lalàna. Misy tsy mazava ny amin’ny hevitry ny Fitsarana Tampony eto amintsika mikasika ity raharaha ity ka izany no nahatonga an’Atoa Lercia hanambara fa tsy hanaiky ny hamerenana fanindroany ny fitsarana izy na inona antony na inona satria tsy voahaja ny lalàna.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT