Actualités

Fifanolanana ao amin’ny FLM Hiakatra eny amin’ny Bianco ny raharaha


  • Alatsinainy 11 Aprily 2016

Taorian’ny fahavakisan’ny ady eo amin’ireo samy mpino Loterana eo anivon’ny Synodam-paritany Antananarivo dia fantatra izao fa efa

 

tafatsangana eo anivon’ity fiangonana ity ny “Cellule de crise” izay mijery sy manara-maso akaiky ny raharaha. Tsy mitsaha-mivoatra mantsy ny tantara raha araka ny vaovao  nampahafantarina ny mpanao  gazety. Voalaza ho manohy ny asany sy ny fombany hatrany mantsy ny mpitondra eo anivon’ny fiangonana sady mampiitatra  izany amin’ny sehatra hafa.  Anisan’izany ny sampana nasionaly fikambanan-dehilahy. Araka ny fitarainan’ireo mpino dia olona tsy mpikambana amin’izany komity nasionaly izany no noterena ho lasa filoha nasionaly noho ny resaka akama akama. Tsy hitan’ireo mpino intsony izay hatao koa mety hiantso ny fahefana ara-panjakana izy ireo mba hiditra an-tsehatra hamaha ny olana. Ankoatra izay moa dia fantatra ihany koa fa hitondra ny raharaha eny anivon’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly  izy ireo hahafahana mijery marina ny resaka kolikoly ao anatin’ity raharaha ity.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT