Raikitra ny ady eo amin’ny minisitry ny fitsarana Randrianasolo Jacques sy ny Talen’ny Birao mpandray fitarainana na « Bureau des doléances », eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Rakotomanana Richardson.
Tsy fanatanterahana didim-pitsarana mikasika ady tany tao Sambava no anton’io. Raha ny fizotry ny tantara, nitarika delegasiona namita iraka mikasika ady tany tao Sambava io Talen’ny « Bureau des doléances » eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika io. Voalaza fa nanao fihaonana mikaton-trano tamin’ireo nahazo rariny teny amin’ny Fitsarana mikasika io ady tany io, ny ny zoma 20 septambra teo. Nizotra tany amin’ny vahaolana hafa fa tsy fampiharana didim-pitsarana. Tsy nahafaly ny minisitry ny fitsarana io tsy fanatanterahana didim-pitsarana io, izay nosokajiany ho fanakorontanana sy fampisaraham-bazana ary fanosoram-potaka ny filoham-pirenena mihitsy. « Inona no maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara, raha didim-pitsarana izay efa didy raikitra no tsy ampiharina », hoy io minisitra io, izay nidina tany Sambava mihitsy ny sabotsy 21 septambra teo, izay nifanojo rahateo tamin’ny lanonana amin’ny hanorenana fonja vaovao ao an-toerana. « Mandray fitarainana no andraikitry ny « Bureau des doléances », dia mandinika izany ary manao tolo-kevitra », hoy izy. « Efa nalefako any amin’ny Procureur de la République ny baiko mampisambotra ireo olona ireo ary ny hampidirana azy am-ponja fa manao « entrave à la justice ». Heloka izany tsy fanatanterahana didy izany », hoy ny minisitra Randrianasolo Jacques tamin'ny teny hentitra. Tsy vao izao no handrenesana resaka fanohintohinana fanatanterahana didim-pitsarana raikitra tahaka izao ataon’ny olona avy ao amin’io « Bureau de Doléances » io. Ohatra iray ny raharaha ady tany tetsy Andavamamba vao tsy ela, raha ny fanazavan’ny vadin-tany iray. Nandeha ny fitsarana ambaratonga voalohany resy ireo mipetraka eo, nisy fampiakarana tamin’ny ambony kokoa mbola resy, tany amin’ny fitsarana mpandrava didy mbola resy ihany. Teo am-panatanterahana ny didy raikitra nanesorana ireo voalaza fa mibodo tany vadin-tany no nisy ny olona nilaza fa avy any amin’io “Bureau de doléances” ao amin’ny fiadidian’ny Repoblika nitondra fiara takelaka mena nanao tsindry bokotra tamin’ny filazana hoe : « ajanony io fa efa saisie ny présidence ». Tsy voahaja izany ny fisaraham-pahefana, dia ny fahefam-pitsarana sy ny fahefana mpanatanteraka fa raikitra ny fifampitsabahana sy ny tsindry bokotra. Izany ve ilay antsoina hoe fanjakana tan-dalàna ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.