Tontosa soa aman-tsara tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina omaly rehefa naharitra herinandro
maromaro ny dingana famaranana tamin’ilay fifaninanana hatsaran-tarehy sy bika ho an’ny mpianatra lahy sy vavy nokarakarain’ny Faritra Analamanga sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena teto an-drenivohitra. Tovovavy sy tovolahy iray isanisany izay voafantina fa tsara tarehy sy bikana indrindra isaky ny fari-piadidiam-pampianarana no nandray anjara tamin’izany. Ho an’ny sokajy tovovavy manokana dia norombahin’i Miora, tovovavy kely vao 17 taona monja, mpianatry ny lycée privée Aceem eto amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra ny amboara raha lasan’i Fitahiana kosa avy any amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’Ambohidratrimo ny sokajy lehilahy. Samy notolorana loka avokoa izy mianadahy ireo. Ho an’ny lalao fifaninanana “question pour un champion” kosa dia lasan’ny mpianatry ny Lycée Moderne Ampefiloha ny loka, iray tamin’ireo mpifaninana farany tafakatra miisa 16. Tafiditra tao anatin’ilay hetsika « journée estudiantine de la Francophonie » avokoa moa izany rehetra izany, lanonana natrehin’ny lehiben’ny Faritra Analamanga Rakotonanahary Ndranto.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.