Actualités

Fifaninanana maka sary Mpanao gazety maro no notolorana loka


  • Sabotsy 29 Oktobra 2016

Mbola betsaka ireo tanora tsy dia liana loatra amin’ny fakana sary eto amintsika, indrindra fa ny sary pika.

 

Na izany aza anefa dia niavaka ny fifaninanana nokarakarain’ny orinasa Star.  Nanodidina ny 60 ireo olona nandray anjara avy amin’ny faritra 22  ny volana aogositra lasa teo.  Nozaraina omaly kosa ny loka  mifandraika amin’izany. Raha tsiahivina dia karazana sary maro mahakasika ny asa hiandraiketan’ny orinasa Star andavanandro amin’ny fitsinjarana ireo zava-pisotro sy ranom-boankazo amidiny no navoitra tamin’izany. Ny tale jeneralin’ny orinasa Star sy Andriamatoa Fidisoa izay mpaka sary pika matihanina tsy zoviana amintsika intsony no nandrafitra ny fikambanan’ny mpitsara tamin’izany ka ilay sarin-dRatsimanohatra Aiky no tena nahasarika azy ireo izay nahazo ny laharana voalohany. Sarina lehilahy mpivarotra mitondra “cageot” Star, entina hofenoina izy io, izay nahazoan’ny tompony taratasim-bola mitentina  500.000 Ar no azony, niampy  zava-pisotro sy kojakoja maro samihafa. Tsy latsa-danja amin’izany ireo mpanao gazety mpaka sary avy amin’ny gazety an-tsoratra maro eto an-drenivohitra izay notolorana loka ihany koa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT