Tontosa soaman-tsara ny fifamindram-pahefana teo anivon’ny minisiteran’ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy omaly alatsinainy 28 janoary tetsy 67ha.
Nanambara ny minisitra teo aloha, Pierre Houlder fa mavesatra ny andraikitra iantsorohana eto amin’ity minisitera ity satria tsy vitan’ny mikarakara ny mpiasam-panjakana rehetra sy ny tsy miankina fotsiny fa mitady ny vahaolana rehetra amin’ireo tsy manana asa. Dingana maro, hoy izy no efa vita ary tsy maintsy hotohizan’ny minisitra vaovao, Gisèle Ranampy izany. Anisan’ny zava-bita nolazainy ny nandaniana ny lalàna miisa 6 mifamatotra amin’ny tontolon’ny asa izay efa nandrasana 10 taona katroka. Ankoatra izay, ny ezaka fanadiovana ny amin’ireo fifaninanana hidirana mpiasam-panjakana. Tetsy an-daniny dia nanantitrantitra ny minisitra vaovao fa tsy maintsy hangarahara ary tsy hisy intsony ny kolikoly eny anivon’ny sekoly fidirana ho mpiasam-panjakana ENAM. Tsy maintsy ireo mpianatra mahay sy mendrika no horaisina satria izay ihany no hiteraka fampandrosoana haingana eto Madagasikara, hoy izy. Hatao ho vaindohan-draharaha ihany koa ny kalitaon’ny asa rehetra sy ny fikarakarana eo amin’ny minisitera ary tena hanakaiky kokoa ny vahoaka araka ny velirano fahatelo. Ankoatra izay dia tsy maintsy hojerena akaiky ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa sy ny fanaraha-maso ireo zaza tsy ampy taona miasa ary ny fampiharana ireo lalàna mifehy manodidina izany. Nanambara ihany koa ny minisitra vaovao ny amin’ny hanafainganana ny fampananana asa ny tanora Malagasy satria ireo no hoavin’ny firenena rahatrizay.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.