Actualités

Fifaninanana feno kolikoly Nivoaka ny nafenina rehetra


  • Zoma 11 Martsa 2016

Ilay fifaninanana natao ny 28, 29, 30 novambra 2015 iny, no feno kolikoly be indrindra nitranga teo anivon'ny Sekoly ambony mpanofana ireo mpandraharaha ny fonja (ENAP) ao Antetezambaro Toamasina II hatramin'izay niorenany.

 

Tsy nisy izay tsy nitaraina noho ny zava-nisy. Hatramin'ireo mpifaninana tafaroboka tao anatin'ilay kolikoly aza niloa-bava tamin'ny zava-nitranga mahamenatra. Raha nivoaka ny anaran'ireo afa-panadinana ny volana janoary 2016 dia nisaritaka tsy nisy toy izany ny lisitra. Tsy mifanaraka ny laharana voasoratra sy ny anarana, ao indray ny anarana eo saingy ny laharana diso, ary tao ny anarana  sy ny laharana voasoratra tsara fa ny fanampiny indray tena tsy izy mihitsy. Koa manontany tena ireo mpiadina sy ireo ray aman-dreniny, iza ireo tena afaka, ny laharana ve sa ilay anarana voalaza tamin'ny peta-drindrina ? Tsy nisy valiny izany hatreto.

Noho ireo porofo hitan'ny mpiadina sy ny ray aman-dreniny ireo dia nitory tany amin'ny Bianco Toamasina ireo voakasiky ny raharaha ka ny angom-baovao no nahalalana fa nanao be midina tao Antetezambaro ny Bianco, nanao fanadihadiana teo anivon'ny ENAP. Raha ny angom-baovao dia 3 tapitrisa Ariary ny kolikoly raha hiditra "Agent", miakatra 4 tapitrisa Ariary izany ho an'ny "Encadreur" ary tafakatra 8 tapitrisa Ariary kosa ny an'ireo "Contrôleur", ankoatra ny 400.000 Ariary vidin'ny laza adina.

Tsiambaratelo moa ny fanadihadiana fanaon'ny Bianco, ka ho hita eo ny tohiny. Ny talen'ny sekoly ihany koa voalaza lasa mamita iraka ka tsy nahazoam-panazavana mikasika ity raharaha ity ny ENAP.

Rakoutou


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT