Actualités

Fifaninanan-kira “The voice” Nampiaiky volana ny mpitsara ireo tanora Malagasy


  • Alatsinainy 02 Martsa 2020

Taitra ny rehetra fa naheno hira malagasy " Ravoravo ", hiran`i Mika sy Davis, teo amin'ny fandaharana The voice ny sabotsy 29 febroary lasa teo ka nofidian'ireo mpanakanto kalaza frantsay,

 

 

 

 Pascal Obispo sy Amel Bent. Nampiteny ny anarany i Ludy Soa sy Nathan nandritra ilay fifaninanana satria dia kanto ny feo ary ny fihetsika teo amin`ny sehatra dia lavorary. Niaiky ireto mpitsara fa tena manana talenta sy mahay mihira ireto tanora Malagasy ireto. Raha ny momba  azy mianadahy dia teratany Malagasy mila ravinahitra any Frantsa izy ireo, zafikelin'i Zoky Jean Andrianaivo Ravelona, izay mpanao hosodoko malaza. Tsy tao Frantsa ihany no nanakoako ny lanjan`i Madagasikara fa dia nampihetsi-po ihany koa ny seho natolotr`i Miandry, nindrana an`ny Spirit izay hiran`i Beyonce Knowles, nandritra ilay fifaninanana an-kira “The Voice Afrique Francophone” andiany fahatelo izay tontosaina atsy Afrika Atsimo. I Miandry moa fony  vao tanora erotrerony 10 taona mahery dia efa anisan’ireo ankizy sy tanora nandrafitra ny tarika GMMC fantatra tamin’ny hira fiderana. Ireo mpanakanto kalaza toa an’i Lokua Kanza, Charlotte Dipanda, Nayanka Bell ary Hiro no mpitsara tamin`ity fifaninanana ity. Samy niaiky ny rehetra fa samy hanana hoavy mamiratra eo amin’ny sehatry ny kanto izy 3 mianadahy ireto any aoriana any. Maro ny Malagasy no manana talenta sy mahay mihira. Tsara rahateo ny fananana tanora feno fandavan-tena izay mikatsaka hatrany hampiseho ny fahaiza-manaon`ny Malagasy.

 

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT