Actualités

Fifandraisan’i India sy Madagasikara Mihamafy orina ny sehatra fanabeazana


  • Talata 06 Novambra 2018

Nampahafantarina tao amin’ny Ambasadin’i India tetsy Tsaralàlana omaly alatsinainy ny fisian’ny varavarana misokatra momba ny vatsim-pianarana any India ny 09 sy 10 novambra ho avy izao izay hotanterahana etsy amin’ny CNELA Antsahabe.

 

 

 Ahitana ny tsara ho fantatra momba ny fampianarana any India ity hetsika ity ary hanentanana ny mpianatra Malagasy rehetra satria tsy misy ny vidim-pidirana. Tena tsy manao ambanin-javatra ny sehatra fampianarana ny India ary anisan’ny singa lehibe nanosika ny toekaren’izy ireo izany. Tsiahivina fa mahatratra 6.000 ny oniversite any ary mpianatra avy any amin’ny firenena hafa miisa 50.000 no tonga mianatra any. 15 ny mpianatra Malagasy vatsian'ny firenena India hianatra any aminy ary mahatratra 100 kosa ireo am-perinasa miankina na tsia amin’ny fanjakana no miofana any mandritra ny 10 andro farafahakeliny. Ao anatin’ny tetikasan’ny fifanarahana ara-teknika sy ara-toekarena Indiana (ITEC) hatrany izao hetsika izao izay miompana amin’ny fampandrosoana ny firenena an-dalam-pandrosoana aty Afrika na any an-kafa koa. Amin’izany no izaran’ny firenena India ny traikefany nahatojo azy ireo ny fampandrosoana ara-toekarena ary iresahana ny lafiny teknolojia avo lenta, ny asa fanaovan-gazety, ny fitantanam-bola, ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ary ny tontolo iainana. Fantatra ihany koa fa efa maherin’ny 800 ireo matihanina Malagasy no efa nizarana izany traikefa tamin’ny lafiny maro izany tany India.

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT