Laharana faha-149 amin’ny firenena 191 i Madagasikara eo amin’ny lafiny fanatontoloana.
Mihisatra tanteraka moa ny fiatrehantsika azy io eo amin’ny sehatra ara-toekarena, sosialy ary politika, hoy ny mari-drefy «Ecole Polytechnique Féderale de Zurich». Azo itarafana izany ny tontolon’ny varotra, ny fampiasambola ary ny famokarana anatiny eto Madagasikara. Tena marefo mantsy ny fifanakalozana ara-barotra, indrindra ny fitrandrahana ireo harem-pirenena izay tsy hita soritra ao anatin’ny tetibolam-panjakana. Voalazan’ireo masontsivana EPFZ fa tsy maharaka ireo zava-baovao sy misongadina manerantany miainga avy amin’ny serasera avo lenta amin’ny ankapobeny ny vahoaka Malagasy. Ohatra mivaingana amin’izany ny tsy fahitana ny mpamokatra sakafo Mc Do sy Ikea eto Madagasikara izay manana ireo solontenany manerana ny firenena maro. Nijanona tamin’ny zava-nisy efa ho 10 taona mahery ihany koa ny fifandraisana ara-diplomatika Malagasy ao anatin’izao fitondrana mijoro izao. Tsy niova mantsy ny isan’ireo masoivoho vahiny sy fikambanana iraisampirenena miasa eto amintsika. Torak’izany ireo fifanarahana marolafy nosoniavin’ny firenena Malagasy hatramin’ny taona 1945.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.