Actualités

Fifandraisana ara-diplaomatika Hampian’ny Alemana ny “Sénat” malagasy


  • Zoma 11 Novambra 2016

Nivaly ny fangatahana fanohanana sy fanampiana nataon’ny Antenimierandoholona Malagasy.

 

 Nankatoavin’ny Andrimpanjakana alema ny fanampiana ny senatera malagasy, hoy ny Ambasadaorony mipetraka eto, Sem Gehrig Harald,  nitsidika tamin’ny fomba fifanajana ny filohan’ny Antenimierandoholona malagasy, ny Senatera Honoré Rakotomanana, tetsy amin’ny lapan’Anosikely  omaly alakamisy 10 novambra 2016. Voalazan’ny filohan’ny « Sénat » malagasy fa nisy ny fampitahana ny rafitra misy eo amin’ny Antenimierandoholona Malagasy sy ny Andrimpanjakana any Alema mitovy laharana amin’ny andrimpanjakana faharoa misy eto amintsika. Nivoitra tamin’izany fa tsy misy ny fifangaroana eo amin’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanapariaham-pahefana nefa mandroso be ny faritra any an-toerana.

Nilaza kosa ny Ambasadaoron’i Alemana, Sem Gehrig Harald, fa hohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Antenimierandoholona Malagasy sy ny Andrimpanjakana any Alema, indrindra ny fanohizana ny tetikasan’ny andrimpanjakana iarahana amin’ny FFE na ny « Fondation Friedrich Erbert ».   

Fa notontosaina omaly teny amin’ny Lapan’ny Antenimieradoholona ihany koa ny fankatoavana ny Fandaharam-potoanan’ireo Loholona mandritra ny fotoam-pivoriana izay notarihan’ny filohany Honoré Rakotomanana sy ny mpikambana avy amin’ny birao maharitra.

Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fihaonana eo amin’ny mpikambana avy amin’ny governemanta sy ireo loholon’i Madagasikara hotanterahina ny alakamisy 1 desambra 2016 ho avy izao. Nolanian’ireo Loholona rehetra io fandaharam-potoana io.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT