Hankalazaina amin’io taona ho avy 2017 io ny faha-200 taona nanaovan-tsonia ny fifankatiavana Malagasy sy Anglisy, natomboka tamin’ny Fanjakan-dRadama I
. Nivoitra io tamin’ny fihaonan’ny ambasadaoro britanika miasa sy monina eto Madagasikara, Atoa Timothy Smart sy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré, tetsy amin’ny lapan’Anosikely omaly alarobia 16 novambra 2016. Nambaran’ny vahiny ihany koa ny hitohizan’ny fiaraha-miasa sy fifanakalozana eo amin’ny firenena Anglisy sy Madagasikara eo amin’ny samy Andrimpanjakana mpanao Lalàna dia ny “Chambre de Lord “ any Angletera sy ny Antenimierandoholona eto Madagasikara. Eo koa ny fanohizana fandefasana mpianatra sy tanora Malagasy handranto fiofanana any Angletera. Atoa Rakotomanana Honoré tetsy an-kilany nanamafy ny maha zava-dehibe ity fihaonana ity noho ny Britanika manana traikefa manokana eo amin’ny lafiny fanaovan-dalàna satria mpahay Lalàna avokoa ireo mpikambana eo anivon’ny Parlemanta ka ilaina ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny Parlemantan’ny tany roa tonta.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.