Hisy fihatsarana ho an`ny 3 taona manaraka, raha ny tombana navoakan`ny Ways Guy Reports na eo amin`ny kalitao na eo amin`ny vidiny amin`ny sehatry ny fifandraisana.
Manodidina ny 20 miliara dolara eo ny fampiasam-bola natokan`ny fanjakana sy ireo sehatra tsy miankina hanatrarana izany. Raha ny tatitra hatrany, nandray anjara betsaka tamin`ny fampitomboana fandaniana eo amin’ny tolotry ny fifandraisan-davitra ny fihatsaran`ny taham-pivoarana ara-toekarena, izay tafakatra 4,2% ho an`ny taona 2018. Manodidina ny 7,14 dolara ny saram-pifandraisana amin`ny alalan`ny aterineto eto Madagasikara amin`izao na dia maivana aza ny tolotra mifanaraka amin`izany. Azo eritreretina ny fidinan`io sarany io, araka ny fanadihadiana satria mihamaro sy mihahenjana ny fifaninanana misy eo amin`ny mpandraharaha lehibe mpiandraikitra tambajotra. Efa miomana amin`ny fanafoanana ny finday tsy misy laharana IMEI ihany koa ny sampandraharaha miandraikitra ny fampanarahan-dalàna ny fifandraisan-davitra (ARTEC) ka ny faran`ny volana jona izao ny fe-potoana farany napetraka mahakasika an`izay. Andrasana ihany koa ny fisokafan`ny foibem-pifanakalozana aterineto izay voalohany ampiasain`i Madagasikara na IPE amin`ny alalan`ny fahatongavan`ny “cable IOX” sy ny fantsona iray any ambanin’ny ranomasina, Metis sy ny Afrika One, izay handrakotra ireo toeran-kafa tsy mbola mahazo aterineto. Tetikasa vinavinaina ihany koa ny fanitarana 9 000 km ny tambajotra “Backbone” sy fanamafisana ny fampiasana “fibre optique”. Ny haba alaina amin`ireo tolotry ny fifandraisan-davitra ireo kosa dia hiakatra hatramin`ny 10% ao anatin`izay firoboroboan`ny sehatra haitao ara-kajy mirindra izay. I Madagasikara rahateo dia tsy afaka misaraka amin`ny firoboroboan`ny tontolo nomerika sy ny fifandraisan-davitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.