Actualités

Fifanakalozam-paritra Lesoka eto Afrika sy i Madagasikara


  • Talata 06 Septambra 2016

Manodidina ny 8,5% isan-taona ny tahan’ny fanondranana entana eto Afrika nanomboka ny taona 2010.

 

 Ambany io salanisa io mihoatra amin’ireo faritra hafa manerantany, hoy ny «Africa Economic Outlook 2016». Ny 16%-n’ny tontolon’ny varotra afrikanina monja ny fifanakalozam-paritra ny taona 2014. Tsy voatrandraka araka ny tokony ho izy moa ny fifanakalozana ara-barotra eo anivon’ny kaontinanta afrikanina, hoy ny tale jeneralin’ny DHL Express tapany atsimon’i Afrika Hennie Heymans. Lesoka ny lafiny fotodrafitrasa fanamorana ny fivezivezen’ireo entana eny amin’ny sisintany mampisaraka ireo firenena. Mila jerena manokana ihany koa ny fotoana lany miaraka amin’ny saram-pitaterana. Fitaovana mahomby ny fifanarahana fifanakalozana malalaka miaraka  amin’ireo mpiara-miombon’antoka mahalala tsara ny toekarena manerantany sy ny fifehezana ny tontolon’ny fandraharahan’ny firenena isanisany, araka ny fanazavan’ity mpitantana orinasa vahiny ity. Azon’i Madagasikara trandrahana amin’ny maha mpikambana azy rahateo ao amin’ireo vondrom-paritra samihafa toy ny COI (Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina), ny SADC (Vondrom-pifanakalozan’ireo firenena tapany atsimon’i Afrika) na koa ny Comesa (Tsena iombonan’i Afrika aty amin’ny faritra Atsimo Atsinanana).

Nangonin-dRamano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT