Actualités

Fifampitifirana tao Ilakaka Dahalo 22 maty, fokonolona 7 naratra


  • Alarobia 03 Febroary 2016

Samy manana basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika na ny an-daniny na ny an-kilany ka samy tsy mety gisitra sy nilavo lefona

 

 . Nafotaka ny fifandonana teo amin’ireo dahalo avy nangalatr’omby vao maraina omaly, tao amin’ny fokontany Tanamary Bemanga any Ilakaka sy ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin’ny fokonolona. Dahalo 22 aloha hatreto no fantatra fa maty lavon’ny balan’ny zandary ka ny 10 tamin’ireo namoy ny ainy tao Tanamary Bemanga, ny 12 kosa maty rotiky ny bala tao Beraketa Madio, tanàna iray manamorona ny RN7. Nisy fokonolona 7 ihany koa naratra. Efa tsaboina any Ihosy izy ireo ary tsy misy atahorana ny ainy. Tompon’omby iray kosa no namoy ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy, vokatry ny tifitra teo amin’ny tongony, nitarika fahaverezan-dra betsaka. Nandritra ny ora maro ny fifampitifirana. Nanampy tosika ireo mpitandro ny filaminana avy ao Ilakaka ny zandary avy any Ranohira sy Ihosy ary Andiolava. Marihina fa tamin’ny fotoana nanoratana dia tsy mbola nisy ny vaovao ofisialy avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

Tsy voafehy ?

Tsinjo tsara amin’ny toe-javatra toy ireny kosa ny tsy fahatahoran’ny olon-dratsy ny mpitondra fanjakana izay soloan’ny mpitandro ny filaminana tena intsony. Mahalala soa aman-tsara izao ireo dahalo fa misy mpitandro ny filaminana ao Ilakaka fa tsy mampihetsi-bolomaso azy ireo izany. Tranga tsy vao sambany niseho raha eo amin’ny resaka ady amin’ny tsy fandriampahalemana satria na tao Betroka, Bezaha, na tany Manja sy Mahabo, faritr’i Menabe dia efa mpiseho matetika izany dahalo mifanandrina amin’ny mpitandro filaminana izany. Narafitra ihany ilay drafitra vaovao hametrahana ny fandriampahalemana na RSS saingy toa mbola resaka ambony latabatra ilay izy fa ny misy aloha dia manao ny ataony dahalo sy ny malaso eto. Etsy an-kilany, tranga tokony hisintonana lesona ihany koa izao ho an’ny mpitondra fanjakana raha tena hijery ny fahasahiranam-bahoaka marina satria na tiana tsy tiana dia misy vokatry ny main-tany sy ny tsy fisian’ny vola hamidy hanina any amin’ny faritra atsimo ihany koa izao firongatry ny dahalo izao. Efa natsidika teto fa diso laharam-pahamehana ny fanjakana manontona vola be any amin’ny fanomanana ny Frankôfônia saingy manao ambany maso tsy hita ny fahoriam-bahoaka sy izao tsy filaminana izao.

Eric R/Andry Ratovo


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT