Actualités

Fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2016 Tsy tokony hanao intsony ireo minisitera, hoy Faneva Raholdina


  • Talata 12 Janoary 2016

Manana ny ambarany ny mpandinika raharaham-pirenena, Faneva Raholdina, nonoloana ny votoatin’ny kabary nataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina

 

 tamin’ny lanonam-panjakana nanasana vahiny hatramin’ny 1500 teny Iavoloha farany teo. Nambarany ary fa tokony hiatomboka any amin’ny governemanta ka mankany amin’ny minisitera izay vao mankany amin’ny mambran’ny governemanta ny fampiharana ny baikon’Atoa filoha amin’ny tokony hifehezan’ny rehetra tena ka tokony ho modely amin’izany ireo minisitera samihafa ireo ka hampiharina toy ny any Gresy ny politikan’ny fitsitsiana marina nolazain’ny praiminisitra Tsipras fa  tsy hanao kravato na fehitenda mihitsy ny tenany  mandra-pahafaky ny trosa ben’ny fireneny sy ny fahantran’ny mponina ao aminy. Eto aloha dia ambarako mahitsy fa tsy tokony handany vola hanao lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona intsony taorian’ny nandanian’ny fanjakana  volabe  1 tapitrisa ariary ho an’ny olona nanodidina ny 1500 isa nefa tokony hahavoky vahoaka 4 hetsy be izao raha hanaovana “demarrage” hamerenana ny Tsaky Pôpy. Tokony  hampahafantarin’ny fitondram-panjakana amin’ny vahoaka Malagasy tanteraka izay lalana rehetra hamboariny ao anatin’ilay vola 450 taprisa euros voalazan’ingahy filoha fa hanatanterahana izany ary ambarany mazava koa hoe rahoviana no hatomboka sy ho vita izany  mba hahafahana manara-maso ny mpanatanteraka ny asa ?  Amin’izay tsy mila mampahafantatra ny asa vita intsony amin’ny taona manaraka ny filoham-pirenena fa mibaribary ho azy toy ny nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc nampanantena ny lalana Antsiranana-Toliara … ary dia vita soa aman-tsara izany.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT