Manana ny ambarany ny mpandinika raharaham-pirenena, Faneva Raholdina, nonoloana ny votoatin’ny kabary nataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tamin’ny lanonam-panjakana nanasana vahiny hatramin’ny 1500 teny Iavoloha farany teo.
Nambarany ary fa tokony hiatomboka any amin’ny governemanta ka mankany amin’ny minisitera izay vao mankany amin’ny mambran’ny governemanta ny fampiharana ny baikon’Atoa filoha amin’ny tokony hifehezan’ny rehetra tena ka tokony ho modely amin’izany ireo minisitera samihafa ireo ka hampiharina toy ny any Gresy ny politikan’ny fitsitsiana marina nolazain’ny praiminisitra Tsipras fa tsy hanao kravato na fehitenda mihitsy ny tenany mandra-pahafaky ny trosa ben’ny fireneny sy ny fahantran’ny mponina ao aminy. Eto aloha dia ambarako mahitsy fa tsy tokony handany vola hanao lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona intsony taorian’ny nandanian’ny fanjakana volabe 1 tapitrisa ariary ho an’ny olona nanodidina ny 1500 isa nefa tokony hahavoky vahoaka 4 hetsy be izao raha hanaovana “demarrage” hamerenana ny Tsaky Pôpy. Tokony hampahafantarin’ny fitondram-panjakana amin’ny vahoaka Malagasy tanteraka izay lalana rehetra hamboariny ao anatin’ilay vola 450 taprisa euros voalazan’ingahy filoha fa hanatanterahana izany ary ambarany mazava koa hoe rahoviana no hatomboka sy ho vita izany mba hahafahana manara-maso ny mpanatanteraka ny asa ? Amin’izay tsy mila mampahafantatra ny asa vita intsony amin’ny taona manaraka ny filoham-pirenena fa mibaribary ho azy toy ny nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc nampanantena ny lalana Antsiranana-Toliara … ary dia vita soa aman-tsara izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.