Actualités

Fifampiarahabana eny Iavoloha anio Manao politikan’ny fitsitsiana ny fitondrana


  • Zoma 09 Janoary 2015

Raha ny fantatra dia nahena ny isan’ireo olona nasaina hanatrika ilay lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona 2015 karakarain’ny fiadidiana ny repoblika. Tany aloha mantsy raha ny hita dia manodidina ny 3 000 ireo olona nantsoina hanatrika izany

Tamin’ity taona ity kosa dia  nilatsaka hatramin’ny  antsasany izany ka lasa 1500. Raha ny fantatra dia noho ny  fampiharana ny politikan’ny fitsitsiana  no antony.  Voatazona ihany kosa anefa ny fanasana ireo mpanao politika isa-tsokajiny, ireo masoivoho miasa sy monina eto Madagasikara, ireo andrim-panjakana isa-karazany ary ireo mpandraharaha. Araka ny efa fantatra dia hampiavaka ny lanonana eny an-toerana anio ny fanatrehan’Atoa Marc Ravalomanana  ny fotoana  ka eny Iavoloha daholo indray izany izao ny mason’ny mpanara-baovao anio.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT