Actualités

Fifamonoana tao Ampasimbe Manatsatrana 20 voasambotra, azo ilay basy nitifirana


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2016

Nisisika ny hametraka ny Ben’ny tanàna (HVM) nandresy tamin’ny raharaham-pitsarana ny Fanjakana ny zoma 14 oktobra 2016 teo, ka niteraka rombo teo amin’ny mpanohana an’i Iandro Julien,

Ben’ny tanana vaofidim-bahoaka tamin’ny 31 jolay 2015 tao Ampasimbe Manantsatrana, Distrika Fenoarivo Atsinanana, sy ilay ekipan’ny Ben’ny tanàna nandresy teo anivon’ny Fitsarana, Jacob Honoré. Ny harivan’ny alakamasy 13 oktobra nahatongavan’ity farany tao Ampasimbe Manantsatrana no nisy gidragidra. Naratra voatora-bato hatramin’ny zandary sy polisy. May nodoran’ny olona ihany koa ny Fiangonana Rhema niafenan’ireo mpomba an’ilay Ben’ny tanàna tokony hapetraka amin’ny toerany. Potika hatramin’ireo fitaovana nomanina hanaovana lanonana. Mitaky ny hametrahana PDS ny mponina ary izy ireo no mifidy ny olona tiany amin’ny alalan’ireo Tangalamena mitondra ny tenin’izy ireo ho fandaminana ny raharaha. Tsy nanaiky izany anefa ny Fanjakana (?) ka teo no niteraka ny fikasana handoro ny tranon’i Jacob Honoré. Nisakana izay ireo mpiambina tao, ka nitifitra tamin’ny basim-borona. Valo ireo olona voatifitra, ka ny roa no tena voamafy izay voatery nalefa ao Toamasina hodidiana. Efa voasambotra moa ireo olona roa nitifitra ary azo ilay basim-borona. Nisy olona 20 mpomba ny roa tonta nosamborin’ny mpitandro ny filaminana atao famotorana. Efa milamina ny raharaha ankehitriny, hoy ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo, Ramaroson Jacques, izay nanafohy ny diany tao Antananarivo noho ity rotaka ity. Natsahatra ihany koa aloha ny fametrahana samboady sy fandraisan’ingahy Jacob Honoré ny toerana maha-Ben’ny tanàna ao Ampasimbe Manantsatrana azy. Efa tonga any an-toerana ihany koa ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny EMMO-Nat miisa 45 izay ahitana zandary sy miaramila ary polisy 15 avy, avy ao Toamasina hanampy ireo namany.

 

Rakoutou

 

Maratra tsaboina ao amin’ny hopitalibe Toamasina (sary : Faritra Analanjirofo)

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT