Manoloana ny disadisa eo amin’ny mpitondra bajaj sy ny taksy dia nanapaha-kevitra ny filan-kevitra monisipaly eo anivon’ny kaomina ambanivohitra Mahajanga mikasika ny fitaterana fa hisy ny fanovana ny boky andraikitra izay milaza ny tsy tokony hanakana ny lalana afahana ny bajaj mivezivezy ao an-tampo tanana
. Voarakitra ao anatin’ny lalana mantsy fa afaka manao fandraharahana ny rehetra ary afaka ihany koa mandeha mivezivezy. Tsy manaiky io fanovana io anefa ireo mpitondra fiara karetsaka satria dia milaza ny ho maty antoka tanteraka izy ireo satria dia efa vitsy ny olona no mampiasa ny taksy raha tsy efa mitondra entana. Efa saika niteraka korontana tao Mahajanga ity fifanolanan’ny mpitondra bajaj sy taksy ity satria samy ho miaro ny fihinanana ny roa tonta. Raha ny fantatra dia efa tsy dia mahazo olona loatra ireo mpitondra taksy satria dia efa tsy zakany fahefam-bidy ny sasany ny saran-dalan’izy ireo izay mitentina 3000 ariary isakin’ny mandeha amin’ny toerana iray. Vaky ny ady eo amin’ireo mpitondra fiara fitaterana ao Mahajanga ireto nohon’io fanovana ny boky andraikitra io. Amin’ny faha 28 novambra izao arak’izany ny fivorian’ny filan-kevitra monisipaly mikasika ny fanovana ny boky andraikitra. Tsy mbola fantatra haterto izay mety ho tohiny ity raharaha ity satria dia nilaza ny hitokona irezo mpitondra taksy raha toa ka tanteraka io fanovana io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.