Raha tokony ho notontosaina omaly alarobia tamin’ny 2ora tolakandro tetsy amin’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra (MPTDN) ny fifamindram-pahefana tamin’ny Tale jeneraly teo aloha,
Augustin Nirina Rakotomalala sy ny vaovao, Ranarison Richard; dia tsy tontosa izany raha tsy adiny 1 sy sasany taty aoriana. Antony ny niandrasana ny teo aloha ary efa nilaza fa niezaka niantso azy daholo ireo tompon’andraikitra hatramin’ny minisitra Maharante Jean de Dieu fa novonoiny ny finday. Rehefa izay dia niroso tamin’ny fifanaovan-tsonia ihany izy ireo izay nanambara fa tsy afaka miandry ny olona tsy hita fa ny asam-panjakana tsy maintsy mitohy. Ny vadintany no nanao ny fitanana an-tsoratra ny amin’ny tsy fahatongavana (PV de carence) izay nohizingizinin’izy ireo fa efa nampahafantarina azy na ny ora na ny fotoana sy ny toerana. Tsiahivina fa soso-kevitra avy ao amin’ny filankevi-pitantanana ihany no noraisin’ny minisitra nentina tany amin’ny governemanta ka izao niafara tamin’ny fanoloana ny Tale jeneraly izao. Raha momba ity Tale jeneraly vaovao ity dia efa niasa nandritra ny 30 taona latsaka kely tao ary tena mahafantatra tsara ny paositra Malagasy, hoy ireo tompon’andraikitra ka tsy atoro voanjo hadiana. Nametra-pialana tsy ho mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanana moa ity farany vao nandray ny andraikiny omaly ihany. Nilaza izy fa hanao izay faraheriny rehetra hampandrosoana ny paositra Malagasy ka sady ho reharehan’ny mpiasa no reharehan’ny vahoaka mihitsy ny fananana ity orinasa ity.
Tsirinasolo sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.