Actualités

Fieferana Avaradrano Fasana efatra no indray vaky


  • Talata 18 Aprily 2017

Taorian’ilay zazalahy kely nanjavona ary hita tao anaty lava-bato ny vatana mangatsiakany ny herinandro teo dia nitrangana vaky fasana indray ny faran’ny herinandro teo tany amin’ny kaominina Fieferana, distrikan’Avaradrano. Tsy fantatra mazava izay fotoana nitrangany.

 

Mpiandry ondry sendra nandalo no nampandre ny fokontany ka ireto farany indray no nampiantso ny tompom-pasana. Araka ny vinavina dia efa andro maromaro no nivoha ireto fasana efatra ireto saingy tsy nisy mpahita. Tena lavitry ny tanàna rahateo no misy azy. Taolambalo maromaro no very izay marihina fa efa tranainy avokoa. Tsy nisy nokasihan’ireo mpanao ratsy kosa ireo razana vao nalevina enim-bolana taty aoriana. Tany amin’ity kaominina ity ny sasany tamin’ireo tompom-pasana no nankalaza ny fetin’ny Paska namono ireo razana sisa tsy lasa sy nanidy ny fasany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT