Actualités

Fidirana ho mpiasan’ny ladoany Hatao anio ny famerenana ny fanadinana


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2016

Anio 22 aogositra no fotoana voatondro hamerenana ny fanadinana dingana voalohany hifantenana ireo mpiadina hiditra ho mpiasan’ny ladoany izay natao ny zoma 29 jolay lasa teo

   . Raha tsiahivina, nahitana savorovoro ity fanadinana ity noho ny tsy fahatomombanana maro toy ny resaka nandeha tamin’ny fiparitahan’ny laza adina nialoha ny fotoana tany Fianarantsoa, ny fahatarana adin’ny efatra sy ny fanombohan’ny fanadinana 30 minitra nialoha ny fotoana izay samy tranga nisy tamin’ny efitranom-panadinana samy hafa teto  Antananarivo. Noho ireo antony ireo amin’ny ankapobeny no nahatonga ny fanapahan-kevitra fanafoanana izany. Ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola, minisiteran’ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy, ny birao mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly no nandray izao fanapahan-kevitra izao. Mpiadina maherin’ny 30.000 no hiatrika izany manerana an’i Madagasikara  anio ka 280 amin’ireo ihany no horaisina. Mbola manan-kery ny taratasy fiantsoana tamin'ny 29 jolay ary tsy misy fiovana ny laharan'ny mpiadina. Misy kosa ny fiovana eo amin’ny efitrano fianarana ho an’ny mpiadina sasany eto Antananarivo ka ny tao amin'ny Fakiolite DEGS tamin’ny 29 jolay dia nafindra ao amin'ny Lisea JJ Rabearivelo ary ireo tao amin'ny Lisea Raherivelo Ramamonjy dia lasa ao amin'ny CEG Joel Rakotomalala.

                                                                                                       Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT