Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Masoivoho misahana ny anjerimanontolo amin’ny tany miteny frantsay (AUF) dia manodidina ny 70%-n’ny tanora Malagasy
, 18 ka hatramin’ny 25 taona, dia saika mirona avokoa amin’ny faniriana ho tonga mpiasam-panjakana. Midika izany fa ny fitadiavam-bola no tena mahamaika azy ireo, hany ka tsy vitsy ireo diso fiofanana. Araka ny fanadihadiana, dia 1 amin’ny 3 ihany matetika no tena mamaly ny tinady tadiavin’ireo mpampiasa rehefa mandeha ny filazana fitadiavana mpiasa. Ny 14 sy 15 oktobra teo moa dia nisy ny fampahafantarana teny amin’ny oniversiten’Antananarivo, eny Ankatso, ireo torolalana ho an’ireo tanora mikasika izay fiofanana tokony harahana sy ny asa tandrify azy izay. Nahasarika tanora maro tokoa izy ity ary ny resaka fitadiavana asa hatrany no tena mahaliana ireo tanora rehefa ao aorian’ny fiofanana.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.