Manana hatramin’ny 28 oktobra 2014 ny firenena Malagasy hamenoana ireo mason-tsivana fanamorana fanitsiana tsena miaraka amin’ny antontan-taratasy eo anivon’ny tsena iombonan’ny faritra tapany Afrika atsinanana sy atsimo
Am-periny amin’ny fanomanana izany ireo tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana izay tohanan’ireo solontena avy amin’ny Comesa. Manampy ireo firenena mpikambana mandray anjara amin’ny fandrafetana ireo fandaharanasa fampiroboroboam-paritra ny fisian’ity fanamorana fanitsiana tsena ity. Tsara fahatongavana tokoa, araka izany, ny fisian’ilay fikaonan-doha izay notanterahana teto Antananarivo ny faran’ny herinandro lasa teo. Tena ilain’ny firenena malagasy mantsy ny fisokafan’ny tsenantsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Resy lahatra amin’ny fahazoana ireo tombontsoa marobe ateraky ny fidirana eo anivon’ny fikambanam-paritra tahaka ny Comesa rahateo ireo tompon’andrakitra Malagasy eo anivon’ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana. Ohatra mivaingana azo tsapain-tanana ny fahazoana famatsiam-bola hatrany amin’ny 2 miliara euro ho fanamorana ny fanitsiana tsena ao anatin’ny Comesa. Mbola mila mandoa ilay fandraisana anjara mitentina 4 hetsy dolara anefa i Madagasikara mialoha ny fanekena ny antontan-taratasy maha kandida azy. Izany eo ihany fa tsy azo hodian-tsy hita ny fampiharana manontolo ny tondrozotra takian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny firenena Malagasy efa ho 3 taona izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.