Misy teratany Afrikanina miditra an-tsokosoko amin’ny sisin-tanin’i Madagasikara amin’iny ilany Avaratra Andrefana iny. Miafina any anaty ala izy ireo, ary vehivavy ny ankamaroany. Avy atsy Kaomoro, Kameronina, Guinée,…
Nisy 14 anefa efa tratra ka mandeha ny fanadihadian’ny zandary toy ny any Ambanja. Nivoitra fa niafina sy an-tsokosoko ny nidirana teto, ary mikendry hiondrana an-tsokosoko miandry sambo lehibe kokoa hihazo an’i Lafrantsa. Midika io fa tsy voafehy ny sisin-tanin’i Madagasikara noho ny antony maro samihafa, toy ny tsy fahampiana na ara-pitaovana na arak’olona. Ekena fa manana ny CFIM (Centre de Fusion et Information Maritime) sy ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale) mampiasa ny teknolojia samihafa, toy ny GPS sy ny Radar, saingy tsy voafehy ny resaka trafika samihafa, ary io indray fa misy resaka fidirana an-tsokosoko. Zara raha misy ny 1,5% amin’ny tafika Malagasy anefa no mandrafitra ny tafika an-dranomasina izay 300 isa eo, raha ny fanadihadiana natao ny volana jolay 2018. 1 812 259 km2 ny faritra azontsika ampiasaina, arovana ary trandrahana. Mitana ny 4,1% amin’ny harinkarena ny ranomasintsika, ary ny 13% amin’ny fanondranana atao no avy amin’io. Tanterahina eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny fikaonan-doha handraisana firenena 7 anjara momba ny fanatsarana ny politika fiarovana ny fari-dranomasina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.