Rehefa avy nivory tetsy Mahamasina handinihana ny hetsika tokony hatao hitakiana ny tamby sy anjara karaman’izy ireo ny avy eo anivon’ny sendikan’ny
mpampianatra malagasy manerana ny nosy na ny Sempama nosy dia tsy nisy alaharo fa avy hatrany notohizana tamin’ny fitokonambe nanoloana ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena etsy Anosy, omaly. Tandindomin-doza ny fidiran’ny mpianatra satria dia efa nanambara ireto mpampianatra ireto, tamin’ny alalan’ny filohan’ny ANEFFA, Elidio Randrianjafy fa tsy hisy taom-pianarana hanomboka izany eo raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo. Teboka dimy moa raha tsiahivina no takian’ireto mpampianatra ireto ka tafiditra ao anatin’izany ny tsy fanekena intsony ny fisian’ny mpampianatra an-tselika ary takiana koa ny fahatongavan’ny famatsiam-bolan’izy ireo ara-potoana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.