Actualités

Fidiran’ny mpianatra Cisco Atsimondrano Teny Ampitatafika ny lanonana ofisialy


  • Alakamisy 17 Novambra 2016

Tontosa omaly teny amin’ny fokontany Ankaditany, kaominina Ampitatafika ny fanokafana ny fidiran’ny mpianatra amim-pomba ofisialy taom-pianarana 2015 -2016 ho an’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Atsimondrano.

 

 Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina izany noho izy nahazo vokatra tsara indrindra tamin’ny taom-pianarana lasa  teo nandritra ireo fanadim-panjakana rehetra notanterahina. Tafiditra ao anatin’ny fitazonana ny vokatra ny nananganany lycée vaovao ao Ankaditany. Mbola fanamby goavana ihany koa  ny hanaovana « salle médiatheque » vaovao ao an-toerana miaraka amin’ny laboratoire de langue. Ny hanampy ny mpianatra no tanjona tsy handaniany vola hianarana teny vahiny intsony. Nomarihin-dRamparaoelina Rado fa hiompana tanteraka amin’ny fikarakarana ireo EPP sy CEG manana olana rehetra ao anatin’ny kaominina indray izy ireo amin’ny taona ho avy io ho tombontsoan’ny mpianatra rehetra. Mpampianatra  nahavita be miisa 28 no notolorana mari-boninahitra izay an’ny fari-piadidiam-pampianaran’Atsimondrano avokoa. Tokony ho 400 izy ireo fa noho ny tsy fahatomombanan’ny taratasy dia ireo ihany no tratra. Tonga nanotrona ny lanonana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy.

 Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT