Mafy ary tsy vitan’ny fampanantenana sy ny kabary tsara rindra na ny serasera mipoapoaka ny fitantanana ny firenena.
Mora ny miteny fa sarotra ny manatanteraka, ary hita taratra izany amin’ny zavatra mahazo ny filoha Rajoelina, raha tarafina amin’ny ady hevitra momba sy fifandresen-dahatra eo aminy sy ny mpandraharahan’ny solika. Raha tsy mitsefotra indray, dia ho fantatra anio ny fanapahan-kevitra, fa raha ny tenin’ny Filoha dia tsy maintsy ampidinina io vidin-tsolika io. Nilaza sy nampiaka-peo ny filoha fa be loatra ny tombony alain’ireo mpandraharahan’ny solika. Toa nidingin-drambo ny fanjakana fa handray fanapahan-kevitra manokana ny fanjakana rehefa tsy nilamina ny resaka tany aloha, ka hifehy ny vidin-tsolika, saingy tsy sahiny notanterahina. Niverina nidinika an-databatra boribory satria mafy ny mpifanandrina. Hafa ny tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana, izay vao miteny dia matahotra ireo vahiny, ary izany no isan’ny nitadiavana hevitra nanonganana an-dRavalomanana. Izy ireo no nitady fifampiraharahana, fa amin’izao dia ny filoha no toa mandadilady amin’izy ireo sy tratry ny fampifilafilana. Ny zavatra tahaka izao no hamaritana hoe: hatraiza ny fahaiza-miresaka sy mandresy lahatra (Capacité de négociation) ho an’ny mpitondra ary hatraiza ny fahefan’ny filoha? Ny irariana anefa, dia hivoaka handresy ny fanjakana ka hidina tokoa ny solika, ary mba tena hisy fiantraikany amin’ny vidim-piainana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.