Omaly hariva no nataon’ny zandary fanadihadiana teny amin’ny hopitaly nisy azy ilay tovolahy iray nidaroka mpisolovava teny Antanimena mba hihanoana ny filazany ny zava-nitranga;
ilay iray moa dia efa voatazona eny amin’ny mpitandro filaminana ary efa vita ny fakkana am-bavany azy.Ilay miaramila voalaza fa zanaka manamboninahitra jeneraly, nanao T shirt manga nanambana basy ilay mpisolovava ary azo sary nandaka ny lohany ity eny amin’ny hopitaly ity ary voalaza fa hoe tapaka ny tongony.Re ihany koa halina fa hoe amin’ity anio ity no hiakatra fampanoavana eny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy ny raharaha, aorian’izay moa no hahafantarana hoe misy ny fampidirana am-ponja vonjimaika sa afaka mody aloha ireo voarohirohy mandra-piandry ny fitsarana.Efa nitaky omaly ny fianakaviamben’ny mpisolovava hoe :tsotra be ny resaka ampiharo ny lalàna.Efa nilaza izany koa ny praiminisitra koa dia ho hita eo izay hitranga anio izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.