Manoloana ny resabe mandeha ao Ivato mikasika ny fakana mpandraharaha iray akaiky ny fitondrana mampiasa ny anaran’ny
Minisiteram-panjakana misahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana, hakana tanin’olona dia nivoaka tamin’ny fahanginana ny filohan’ny filankevitra kaominaly ny dokotera Ndimbisoa Mamy. Nambarany tamin’izany fa nofidin’ny vahoaka hisolotena azy amin’ny zavatra manahirana azy toy izao izahay ka ambarako etoana, amin’ny maha filohan’ny filankevitra kaominaly ny tenako fa efa misy ny fanapahan-kevitra kaominaly laharana faha- 30/COM/IVT/CC/2016 tamin’ny 18 martsa 2016 noraisin’ny mpanolotsaina kaominaly, hanoherana io fomba ratsy feno fitaka sy fanaovana didiko fe lehibe io. Ambarako, noho izany, fa miray hina amin’ny vahoaka voakasik’izany, na olon-tsotra na mpandraharaha na vahiny na teratany, izahay mpikambana ao amin’ny filankevitra kaominaly eto Ivato ary tsy manaiky ny fanaovana tsindry hazo lena, na avy amin’iza na avy amin’iza. Miantso ny Filoham-pirenena sy ny praiminisitra sy ny minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana ny mpanolotsaina kaominaly ao Ivato hanara-maso izao toe-javatra izao, tsy handotoana ny anaran’ny fitondram-panjakana amin’ny fampiasan’ny sasany ny anarany amin’ny fikatsahana tombontsoa manokana. Raha araka ny fantatra moa dia misy mpiasan’io minisiteram-panjakana io mihitsy ampiasain’ny orinasa tsy miankina iray eny Ivato eny, handresy lahatra ny mponina hakana ny taniny izay lazaina fa ilaina amin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena, hatao lalam-bahoaka, nefa hampiasainy amin’ny tombontsoany manokana fa tsy misy idiran’ny fanjakana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.