Actualités

Fiatrehan’i Madagasikara ny Coronavirus Maro ireo teboka miteraka ahiahy


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Efa vonona amin’ny fiatrehana ny valan’aretina Coronavirus i Madagasikara, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny fitondrana.

 

 

 

 Miainà tsotra mihitsy moa fa aza manaiky hadalaina, hoy ny voambolan’ilay minisitra iray izay fa tsy mafy noho ny Pesta sy Kolerà io. Mampametra-panontaniana anefa ny fepetra raisin’ny fitondram-panjakana Malagasy ankehitriny manoloana ny fihanak’io valan’aretina io eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Ny hanidy ny sisin-tany aloha izany, raha ny voambara hatrany, dia tsy azo handresena lahatra ireo mpanapa-kevitra mihitsy. Na ny tarehimarika mivoaka aza anefa tsy hita izay handraisana azy ary tsy ampy ny fanazavana. Omena ohatra ny isan’ireo mpandeha ahiahiana araha-maso etsy Anosiala. Fa misy koa anefa mpandeha araha-maso fotsiny izay tsy mazava hoe inona no antony? Miisa 16, raha ny voaray ny sabotsy teo izany, ho an’ny etsy Anosiala. Misy 24 araha-maso koa, raha ny voalaza, etsy Mahamasina ary miisa 4 ireo araha-maso any an-tranony. Tsy mbola misy ahiahiana izany ve ireo fa dia araha-maso fotsiny ary tsy ampy ve ny fandriana ao Anosiala no misy koa eny Mahamasina? Etsy ankilany, dia misy dingana arahana izay miainga any amin’ny minisiteran’ny fahasalamana, hoy ireo tompon’andraikitra, vao afaka manao fitiliana ireo ahiahiana ny “Institut Pasteur de Madagascar”. Ny fanatsotsoran-dresaka amin’ny hoe mbola tsy ilaina ny manao tampim-bava moa dia efa tsy hita intsony izay ilazana azy. Hatreo fotsiny dia hita fa maro ireo teboka tsy maharesy lahatra manoloana ny filazana fa efa vonona isika. Misy ary tena ampy ve ny enti-manana hiatrehana ity areti-mandoza ity sa tsia?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT