Hiditra an-tanety anio talata 7 martsa amin’ny 12 ora antoandro ilay rivodoza Enawo. Eo anelanelan’ny distrikan’Antalaha sy Cap Masoala no hiaingany, hamakivaky eto afovoan-tany rahampitso alarobia 8 martsa sy ny alakamisy 9 martsa.
Efa mipetrapetraka avokoa ny paikady hiatrehana ny loza eto amintsika ho an’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary, hoy Andriamatoa Venty Thierry sekretera mpanatanteraka ao amin’ity sampandraharaha iray ity. Ny sabotsy teo ihany dia efa nandefa ekipa dimy nihazo ny faritra izy ireo ka ny roa any Analanjirofo, ny roa any amin’ny Faritra Boeny, ny iray any SAVA. Ho an’Antananarivo Renivohitra indray dia nambarany fa efa misy ny toerana dimy vonona hamindrana ireo traboina raha sanatria ka tena miakatra be ny rano, indrindra fa ho an’ireo mponina eny amin’ny faritra iva. Mikasika ny fitaovana toy ny tranolay sy ny sakafo indray dia nambarany fa efa misy ihany koa ny vonona avy amin’ny mpiara-miombon’antoka na dia tsy betsaka aza. Nomarihiny manokana fa miara-miasa akaiky amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro izy ireo hahafahana mampihena ny taham-pahafatesana mety hitranga na koa ny fananana simba sy rava.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.