Actualités

Fiatrehana ny maitso ahitra any Androy Am-perinasa ny ministeran’ny mponina


  • Sabotsy 19 Novambra 2016

Nanampy ireo mponina any amin’ny Faritra Androy tamin’ny alalan’ny fanomezana ny masomboly “antaka” hahafahan’izy ireo miatrika ny maitso ahitra ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy

 

. Tokantrano miisa 3.000, miparitaka anatina kaominina miisa telo ao anatin’ny distrikan’Ambovombe no nahazo tombontsoa tamin’izany toa an’Ambanisarike, Ambonaivo, Ambazoavao raha telo hafa tany amin’ny distrikan’i Beloha dia ny kaominina Beloha,  Tranovao ary Ikipohy. Toraka izany koa ny Faritra Atsimo Andrefana izay misy tokantrano 5.000 isa hafa misandrahaka amina kaominina miisa telo dia Fotadrevo, Ejeda ary Gogogogo. Tsy adino ny distrikan’i Bekily izay nahitana an’i Bekitro, Belindo ary Bevitrika. Tokantrano 500 ka hatramin’ny 1.000 isaky ny kaominina no nahazo tombontsoa tamin’izany raha kely izay mbola notolorana mangahazo 5 kg isan-tokantrano ihany koa. Nisy ny fanentanana nataon’ny minisitry ny mponina Onitiana Realy azy ireo, fitsidihana efa fanim-pitony nataony tany an-toerana hatramin’ny omaly. Ankoatra izay, fikambanan’ny mpanjono miisa folo any an-toerana ihany koa no  notoloran’ity minisitera ity harato mba hahafahan’izy ireo mampiroborobo ny asa fivelomany. Ireo mpanjono avy ao amin’ny kaominina Tranovaho sy Ambazoavao no tena nahazo tombontsoa. Fantatra moa fa efa manomana ilay tetikasa Vatsin’Ankohonana hotanterahina any amin’ny faritra Atsimo ihany koa ny minisitry ny mponina Onitiana Realy amin’izao diany any an-toerana izao  izay hanolorana vola mitentina 30.000 Ar isam-bolana isam-pianakaviana mandritra ny taona iray voalohany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT