Actualités

Fiatrehana ny loza Hipetraka isaky ny toerana saropady ny mpamonjy voina


  • Alarobia 19 Novambra 2014

Manoloana ny fitarainan’ny olona ny amin’ny fahataran’izy ireo amin’ny famonjeny loza dia nanapa-kevitra ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana fa hipetraka amin’ireo toerana heverina fa mety saropady. Araka izany dia tsy hijanona fotsiny ao an-dakazerina intsony ireto mpamonjy voina ireto fa ho hita isaky ny toerana stratejika eto amin’ny lalan’Antananarivo.

Raha ny nambaran’ny komandy eo anivon’ity sampana mpamonjy voina ity ny Lt kolonely Rabemanantsoa dia noraisina izao fepetra izao mba hampihena ny taham-pahavoazana eo amin’ireo izay hiharam-boina satria na dia tara roa minitra aorian’ny antso izay voarainy aza izy ireo dia mety efa betsaka ny fahavoazana hita amin’izany. Eo ihany koa ny fiatrehana ny fety satria efa manakaiky ny faran’ny taona mitombo ny fitohanan’ny fiarakodia ka mahasarotra ny fifamezivezena. Etsy an-daniny ireo antsoina hoe: “bouche d’incendie” dia efa tsy hita isaky ny tanàna intsony ka vao mainka mahasarotra ny fanatanterahana ny asa izany. Nilaza moa ny avy eo anivon’ity sampana mpamonjy voina ity fa raha vao misy ny tranga mampiahiahy toy ny hazo mitady ho tapaka sy trano mitady hianjera dia aoka ny rehetra tsy hisalasala ka hiantso ny 118 fa maimaimpoana izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT