Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra isika. Vonona amin’ny fiatrehana izany ny APIPA
, araka ny tafa nifanaovan’ny taleny Rateloson Philippe tamin’ny mpanao gazety omaly. Anisan’ny asa miandry azy ireo mantsy ny fiarovana ny lemak’Antananarivo tsy ho tondraka ankoatra ny fijerena ireo karazana lakandrano hivarinan’ny rano rehetra toy ny lakandranon’Andriantany ka hamoaka izany eny amin’ny “station de pompage” eny Ambodimita. Efa nanomboka ela ny asa raha araka ny fanazavan’ity tale jeneralin’ny APIPA ity ihany. Efa nitombo rahateo hoy izy ny vola nomen’ny fitondram-panjakana hikarakara izany izay lasa 640 tapitrisa Ar tamin’ity taona ity raha 450 tapitrisa Ar teo aloha. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa tsy misy atahorana ny resaka fotodrafitrasa raha toa ka tsy mihoatra tamin’ny ranon’orana nandritra ny fito taona lasa ny ranon’orana hilatsaka amin’ity taona 2014-2015 ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.