Actualités

Fiatrehana ny fahavaratra Efa vonona ny APIPA na dia…


  • Zoma 19 Oktobra 2018

Tsy vita ny asa tokony ho natao isan-taona. Manarina tsikelikely ny tao anatin’ny 2 na 3 taona ny APIPA (Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo),

 

 araka ny nambaran’ny tale jeneraliny Rateloson Philippe. Eo ny fijerena ireo  fefiloha simba sy ny fanadiovana  ny tatatra sy ny lakandrano lehibe tahaka ny eny  Andriantany sy ny manamorona ny reniranon’i Sisaony eny Atsimondrano. Nanambara ny tenany fa efa hatramin’ny volana febroary no ho mankaty no niomana fatratra ny APIPA ny amin’ny fiavian’ny orana. Efa vonona ny fepetra rehetra hiatrehana ny tondra-drano sy ny orana ho an’Antananarivo Renivohitra, hoy izy. Omaly izao no nanomboka ny fijerena ny fefiloha vaky eny Soavina. Nanentana ny rehetra ny APIPA ny amin’ny tokony hanajana hatrany ny fahadiovana, indrindra ny tsy hanariana fako mety hanentsina haingana ireny tatatra etsy sy eroa manerana an’Antananarivo ireny.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT