Tena hoe fifamonoana! Izay no azo ilazana ny zava-nitranga ny ampitson’ny kabarin’ny filoham-pirenena malagasy izay nahenoana fa efa tafiditra eto Madagasikara ny areti-mandripaka Coronavirus. Niakatra 50, 100, eny 1000%
mihitsy ny vidin’entana, indrindra moa, ireo entana heverin’ny rehetra ho isan’ireo akora hahafahana misoroka ity areti-mandripaka ity. 19.000 ariary ny kilaon’ny tongolo gasy, 3000 ariary ny kilaon’ny tongolo “oignons’’, 25.000 ariary ny kilaon’ny Sakamalao. Santionan’ny vidin’entana hita teny amin’iny tsenan’Andravoahangy sy Mahazo ary ny manodidina iny izany hatramin’ny harivan’ny sabotsy teo ho an’ny teto Antananarivo. Raha ny fitarainan’ireo mpanjifa dia raha 2000 ariary izany tamin’ny 7 ora maraina dia efa tody 10.000 ariary rehefa tonga ny tamin’ny 10 ora, izany hoe mbola tsy mitatao vovonana akory. Very tanteraka ao anatin’ny malagasy ny atao hoe voin-kafa mahatratra sy ny fifampitsinjovana. Tafahoatra ny fifamonoan’ny malagasy ary naman’ny mandrora mitsilany ihany anefa ireo mpivarotra faly manararaotra satria arakaraky ny fahavitsian’ireo olona afaka manjifa ara-dalana ny fisorohana ity areti-mandripaka ity no hampiparitaka vetivety io valan’aretina io ka sanatrian’izany handripaka antsika mianakavy eto. Mety tsy hanavotra akory iny volabe azo vetivety tamin’ny fanambakana sy fanararaotana iny no sady tsy afaka ho entina manaraka any am-pasana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.