Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy omaly alakamisy 16 mey 2019 tao Tsiroanomandidy Faritra Bongolava ny fametrahana ireo "puce electronique" ho an’ny omby, ka ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina no nisantatra izany tany an-toerana.
Omby hatramin’ny iray alina no nambara fa tsy maintsy hasiana “puce” hatramin’ny faran’ity taona ity. Voka-pikarohana tanora Malagasy ireo “puce électronique” apetaka amin’ny omby ireo. Tsy misy atahorana amin’ny fahasalaman’ny omby ary hahafahana mamaritra mazava ny mombamomba ny omby tsirairay, ny lalana nodiaviny sy ny toerana misy azy mazava, raha ny fanazavana ara-teknika. Miankina lehibe amin’ny varotra omby ny toekarena ao Tsiroanomandidy ka izay no antony nisantarana ny tetikasa ao. Nangataka toeram-pamonoana omby ny olona, ka hahazo manara-penitra ireo mponina afaka telo volana, raha ny fampantenana. Nambara ihany koa fa hapetraka eo an-toerana ihany koa ny toby BIA (Bataillon Inter-Armes) sy ny angidimby izay ho azo atsy ho atsy hiadiana amin'ny tsy fandriampahalemana. Eo ihany koa ny fandefasana ireo vondron-tafika isak’ireo “Zones Prioritaires Rurales de Sécurité” manerana ny Nosy, izay nahafahana namerina maherin’ny 60%-n’ireo omby very tato anatin’ny telo volana. Andrasana izay tena ho vokatr’io ady amin’ny tsy fandriampahalemana io satria miankina amina lafin-javatra maro na ara-tsosialy na ara-toekarena io. Tsy fampiasan-kery no zava-dehibe fa ny fanomezana asa ny olona sy ny tantsoroka hahafahany manana fihariana mahavelona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.