Actualités

Fiarovana ny zon’olombelona Ratsy toerana i Madagasikara


  • Alarobia 13 Novambra 2019

Nisongadina indray ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona, indrindra ho an’ny ankizy sy ny mahakasika ny vehivavy.

 

 

 

Eo ihany koa, ny fibodoana na fakana tany izay nambaran’ny firaisamonim-pirenana maro miady amin’ny zon’olombelona teo anivon’ny Kaomisionina misahana izany eo  anivon’ny firenena mikambana. Nanamafy ny vaomiera manao ny fitsirihana maneran-tany (examinateur universel des droits de l’Homme) fa tsy manaja ny zo ara-toekarena, ara-tsosialy, ara-kolotoraly hananan’ny mponina ny fanjakana malagasy ka manamafy ny fahantrana izay tena miha lalina. Manampy izay ihany koa ny fitazomana olona tsy ara-drariny, fihoaram-pefy na fironana amin’ny fialana amin’ny ara-dalàna amin’ny fampiharana ny lalàna mahakasika ny “cybercriminalité”. Manampy trotraka ny fanohintohinana ny fahalalahana haneho hevitra, ny kolikoly, ny fanjakana ratsy tantana, ny fanamelohana ho faty niniana nataon’ireo mpitandro filaminana. Ireo rehetra ireo dia noresahina sy notsikafonina teo anivon’ny firenena mikambana tany Genève Suisse. Ny alatsinainy lasa teo ny fiarovantenan’i Madagasikara ka na maromaro aza ny delegasionina notarihan’ny minisiteran’ny fitsarana dia mavesatra ny fampiangana ny fanjakana Malagasy manoloana izany. Adiny telo moa ny fifampihenoana tao anatin’ny fijerena ny momba an’i Madagasikara. Marihana fa ireo firenena rehetra mpikambana ao amin’ny ONU dia ny atao hoe “Examen périodique universel” manodidina ny zon’olombelona manoloana ity kaomisionina ity isan-taona. Miharihary eo anivon’izao tontolo izao ny zava-mitranga eto amintsika ary miampanga sy mamaky bantsilana ny any ivelany. Mahamenatra ny tranga toy izany.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT