Actualités

Fiarovana ny zon’ny mpamorona. Mandoa vola avokoa ireo izay mampiasa ny sanganasa


  • Zoma 21 Novambra 2014

Nilaza ny avy eo anivon’ny ofisy malagasy miaro ny zon’ny mpamorona na OMDA fa ho takiana sarany amin’izay ireo sehatra rehetra mampiasa ny sanganasan’ny mpamorona. Hentitra izy ireo nilaza fa tsy hisy intsony ireo olona afaka mampiasa ny sanganasan’ny mpamorona ho fitaovana fitadiavam-bola kanefa tsy misy tamberina mankany amin’ny mpanakanto akory

. Voakasik’izany avokoa ireo sehatra rehetra maneho ny kanto ka manana mpamorona toy ny hosodoko, ny hira , ny dihy, ny haingo sy ny sisa. . . . . Isan’ireo ho takiana izany sarany izany ny cybercafe, ireo hotely mandefa ny hiran’ireo mpanakanto mba hisintonana  mpividy sy ireo mpikarakara lanonana ka mampidi-bola avy amin’ny alalan’ny sanganasan’ireo mpanakanto ireo. Nomarihin’ny avy eo anivon’ny OMDA  fa tsy izy ireo no mitaky izany fepetra izany fa ireo mpanakanto mihitsy ary efa  misy mihitsy ny lalàna sy fifanarahana mifehy eo amin’ny samy mpiaro ny zon’ny mpamorona iraisam-pirenena  mahakasika izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT