Fanamby vaovao no entin’i Madagasikara any Sidney Aostralia ny 12 ka hatramin’ny 19 novambra ho avy izao momba ilay kongresy manerantany momba ny valanjavaboary
. Io no nambaran’ireo komity avy ao amin’ny FAPBM (Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversités de Madagascar) omaly tetsy Ankorondrano. Hodinihina mandritra io kongresy io ny vina manokana ho an’ny firenena tsirairay mahakasika indrindra ny politika entina mitandro ireo valanjavaboary arovana. Voakasika ao anatin’izany ny zavamaniry sy ny manan’aina rehetra. Tsiahivina fa efa nisy ny tanjona napetraka nandritra ny andiany farany natao tany Durban Afrika Atsimo ny taona 2003 dia ny hiarovana ny valanjavaboary eto Madagasikara hatramin’ny telo avo heny ka niteraka ny SAPM (Système des Aires Protégées de Madagascar) izay ny filoha Marc Ravalomanana no nametraka azy tamin’izany, ary ny FAPBM no namatsy vola, hoy ny tompon’andraikitra. Hatreto raha ny fantatra dia mila vola hatramin’ny 18 tapitrisa dolara ny fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara izay ahitana faritra arovana miisa 28, izany hoe 3 dolara isaky ny hektara saingy hatreto noho ny fisian’ny krizy dia zara raha nisy 2 tapitrisa dolara no hita. Mandritra ity kongresy ity dia 45 ireo delegasionina ho any Sidney ary hizara komisionina maromaro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.