Actualités

Fiarovana ny tontolo iainana Resabe fotsiny ny an’ny Malagasy


  • Alarobia 16 Novambra 2016

Amin’izao fotoana izao no tanterahina any Marrakech Maraoka ny Kaonferansa iraisam-pirenena momba ny fiovaovan’ny toetr’andro na ny COP 22.

 

 Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana omaly ny asam-baomiera hiarahan’ireo filoham-panjakana sy ny governemanta ka anisan’ny miatrika izany ny Filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina. Ifotorana amin’ity kaonferansa ity ny ho fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny andraikitra raisin’ny firenena tsirairay mba hanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, izay voafaritry ny fifanarahana lasitra iraisan’ny firenen-drehetra. Nialoha izany dia nisy ny lahadinika nataon’ny delegasionina Malagasy mba hahafaha-mamaritra ny vina apetraky ny firenena tsirairay ny 14 novambra. Tanjona iraisana amin’ny fisorohana ny fiovaovan’ny toetr’andro izay voafaritry ny fifanarahan’i Paris ny hampihena 14% ny etona maloto ateraky ny fahasimban’ny tontolo iainana. Ankoatra ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mitarika ny delegasionina Malagasy dia miatrika ity kaonferansa lehibe ity ihany koa ny minisitry ny tontolo iainana sy ny haivoahary Dr Ndaimananjara Johanita, ny minisitry ny fiompiana sy ny Fambolena Rakotovao Rivo, ny minisitry ny raharaham-bahiny lefitra misahana ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana Rafatrolaza Bary Emanuel. Mbola fandraisana anjara ihany aloha ny an’ny Malagasy hatreto fa raha ny fampiharana izay tapaka dia lavitr’ezaka raha jerena amin’ny tsy fandraisan’andraikitry fanjakana manoloana ny fanapotehana ny tontolo iainana.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT